Fanampiana an’Ambilobe : nozaraina ho an’ny fianakaviana 3 693

Tontosa ny herinandro lasa teo ny fizarana ireo sakafo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanatanteraka izany tany amin’ ny faritra Diana, ho an’ny distrikan’ Ambilobe, ny ekipan’ ny BNGRC. Nanomboka ny 15 avrily lasa teo ny fitsinjarana sakafo. Fanampiana vonjy taitra ho an’ ireo fianakaviana traboina sy tena voa mafy vokatry ny fandalovan’ ny rivodoza Gamane izany.
Fianakaviana miisa 3 693 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo, notsinjaraina tamin’ny kaominina 17, mandrafitra ny distrikan’ Ambilobe. Milanja 59 088 kg ny sakafo nozaraina: vary 46 163 kg, voamaina 9 233kg , ary menaka 3 693 litatra.
Notanterahina isaky ny renivohitry ny kaominina ny fizarana. Nahazo ny anjarany avokoa na ireo kaominina saro-dalana sy mitoka-monina aza. Nampiasa moto, nandeha an-tongotra, niampita lakana, ary nitaingina “tracteur” ny mpizara sakafo.
Nanomboka omaly kosa ny fitsinjarana ny fanampiana ho an’ireo fokontany sy kaominina rehetra ahitana traboina amin’ireo distrika efatra ao Sava.

Vonjy

Partager sur: