Rehefa fady dia fady: Rehefa fady dia fady

Teo amin’ny Malagasy, tsy ny hita maso ihany no antsoina ho loto fa na ireo tsy tazana aza. Nadio ny rivotra iainana fahiny. Maloto izany ankehitriny. Madio fo ny Malagasy fahagola. Be lolom-po sy lonilony ny Malagasy amin’izao fotoana… Sehatra na tontolo vitsy sisa no mahalala madio!

Rehefa «lo» ny «toavina», maloto ny zava-drehetra. Anisan’ireo fahalalana faratampony hain’ny Malagasy izany. tsy ny loto hitan’ny maso ety ivelany no tena mampanahy azy fa ny loto anaty indrindra. Amin’izao vanim-potoana izao, miaina anaty loto tanteraka ny Malagasy. Vitsy sisa ny tokantrano malagasy no manaja ny fadin-drazana. Midika ho loto avy hatrany izany. Vao miposaka ny masoandro, otain’ny Malagasy fady ny teniny sy ny taniny. Loto mitankovana izany. Ankohonana maro no tsy manaraka intsony ny fomba tsy misotro rano alohan’ny zoky. Tranga miteraka loto… Rehefa tomorina akaiky, rakotra loto ny Malagasy!
Antony mahatonga ireny rehetra ireny ny fanaovana tsinontsinona sy ny fanamaivanana ireo fahendrena nananan’ny Malagasy fahiny. Heverin’ny «sasany» fa adalana miharo tsinjaka ireny fahendrena ireny, satria, tsy fantany ny antom-pisiany. Sady tsy nampahafantarina azy no tsy niainany, hany ka nohamaivaniny. Tsy tazana eo amin’ny Malagasy intsony, ohatra, ny fahaiza-mitsodrano. Ny zavatra atao tsy nahazo tsodrano, sarotra halain-doto.

Very hasina tanteraka
Rehefa rakotra loto (anatiny sy ivelany) ny Malagasy, nanjary very hasina. Nanaraka ho azy i Madagasikara. Maro tsy tambo isaina ny famonoan-kasina nataon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona teto Madagasikara. Vao mainka izy ireny nohamafisin’ireo Malagasy mpanota fady, mpamingavinga fomba, mpanivaiva fahendrena, sns. Ny olona sy ny tany rehefa maty na very hasina, azo volavolaina (lalaovina, potehina, baikoina…). Ankoatra ny fidiovana voajanahary (rano, rivotra…), mila midio ny Malagasy tsirairay.
Rehefa fady dia fady ka tsy dikaina. Rehefa maloto dia ma­loto fa tsy amboamboarina. Rehefa tsy mendrika dia tsy mendrika fa tsy hanaovana kajikajy etsy, kajikajy eroa. Raha mbola tsy manaiky izany ny Malagasy, ho rakotry ny loto eto hatrany.
Tsy ilaina famatsiam-bola avy any ivelany ny fanajana fady, fomba, sns. Tahaka izany koa ny fitandremana ny hasina!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: