Piment Café – Revy Lôlô sy ny tariny.
Mitohy hatrany ny “fitetezam-pokontany”, araka ny filazan-dry Benny, Bebey ary Nini azy. Toerana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Revy Lôlô sy ny tariny” ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina.
Any Tsiroanomandidy ry Zandry Gasy sy ny Les Talenta. Fiarahana an-tsehatra tsy vaovao, saingy sambany ho an’ny any Bongolava ity hatao ao amin’ny Tranompokonolona Tsiroanomandidy ity. Hiavaka tsara ny hira alahatry ry Mbola Talenta, Fanilo Poppins ary Inah. Ankoatra izay ireo hiran’ny tarika Zandry Gasy, izay handrasan’ny mpankafy maro hatrany.
Hisehatra etsy amin’ny IFM Analakely ny Choeur Miangaly. “Diavolana” no nampisalorana ny hetsika, izay seho indroa mihantaona. Anio manomboka amin’ny 7 ora alina ny voalohany, ary rahampitso amin’ny 3 ora sy sasany kosa ny faharoa. Hitarika ny seho i Antsanirina Rakotoarimino ary handrindra izany kosa i Sitraka Ramarosandratana.
Lemanana etsy amin’ny 306 Manakambahiny. Araka ny efa nampanantenainy, hanolotra seho ho fampahafantarana ny rakikirany vaovao i Tah Manana. Anio manomboka amin’ny 7 ora izany, etsy amin’ny le 306 Manakambahiny. Fotoana izay hizarany ireo hira voarakitra ao anatin’ny “Tranga” io. Hahenoan’ireo tia mozika ny endrikendriky ny gadona voizin’ity mpanakanto ity ihany koa.