ITM-IHM: hiray sehatra ny fizahantany sy ny asa tanana

Ho hita miaraka eny amin’ny CCI Ivato ny sehatry ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) amin’ity indray mitoraka ity. Sehatra roa samy manana ny lanjany kanefa mifameno. Andiany fahafolo ny ITM, raha andiany voalohany ny IHM.

Natao omaly, tetsy amin’ ny CCI Ivato, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fampahalavorariana ny hetsika “International Tourism Fair Madagascar” (ITM).
Hotanterahina etsy amin’ ny CCI Ivato, ny 20 ka hatramin’ny 23 jona ho avy izao izany. “Misy hetsika telo ny fomba handavorariana ny fotoana, satria faha-20 taonan’ny ONTM, hanamarihina ny andiany faha-10 nanaovana ny ITM ary ny andiany voalohany hanaovana ny Tse­naben’ny Asa tanana (IHM)”, hoy ny minisitry ny Fiza­hantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël.
Tafiditra anatin’ny tanjona amin’ny hanatrarana mpizahatany vahiny avy any ivelany miisa 1 tapitrisa hatramin’ny taona 2028 ny hetsika. Efa misy ny ezaka maty paika hanatrarana izany. Miankina betsaka amin’ny sehatra maro, toy ny lalana sy ny habakabaka, ny fahasalamana… anefa izany. Miara-miasa ny minisitera rehetra hamaha ny olana hahatongavana amin’ny tanjona.
Ho an’ny hetsika ITM amin’ ity taona ity dia nametraka tanjona iray ny mpikarakara dia ny tsy maintsy hanafarana mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany avy any ivelany miisa 600 ho tonga eto Madagasikara. Manasa ireo mpividy vokatra asa tanana ihany koa mba hijery ireo tolotra ataon’ireo mpanao asa tanana malagasy.
Hiavaka tsara ny sehatry ny fizahantany sy ny sehatry ny asa tanana mandritra ny tsenabe hotanterahina. 100 ny tranoheva ahitana ny vokatry ny asa tanana.
Fotoana hanentanana ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany avy any amin’ny faritra ho avy amin’ny hetsika ihany koa izao. Efa maro ny namaly ary efa misy fandaminana ny fantanterahana sy ny fanentanana ho amin’izany, hoy hatrany ny minisitra.

Tatiana A

Partager sur: