Marihina isaky ny 5 mey ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona na rasazy. Any amin’ny distrikan’i Farafangana no hanaovana ny hetsika ofisialy, amin’ity taona ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fampihenana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra rehefa misy voina miseho, ny mpampivelona, araka ny lohahevitra nosafidiana.
Atrikasa ho fankatoavana ireo asa fialohavana manoloana ny haintany sy nanolorana fitaovana ho an’ny Système d’alerte précoce. Ho an’ireo komity mpiantsehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza any an-toerana, ahafahan’izy ireo manantanteraka asa eny an-kianja, araka ny tokony ho izy. Niarahana tamin’ny Croix rouge malagasy, BNGRC sy ny DREAH, DRAE, DRPS ary ny WHH ny tetikasa.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Jirama ny hanolo ny fantsona tranainy (70km) sy kaontera tranainy miisa 50 000. Hisy ny fampitaovana fitiliana fahavakisana fantsona. Hampiakarina ny tosika miisa telo (Ambodimita, Betongolo, Mandriambero). Hitarina ny tambajotram-pitsinjarana rano 100 km ary ny fampidiran-drano vaovao miisa 50 000.
Nitsidika ny hetsika ara-pahasalamana ho fanatrarana ny fanaovam-baksiny tetsy Antanimenabe Ankorondrano ny minisitry ny Raharaham-bahiny japoney, Kamikawa Yoko. Ny firenena Japoney izay mifanohana akaiky amin’i Madagasikara momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy.