« AF Mobile » : tanjona ny hisarihana ny mpianatra ho liana amin’ny haikanto

Nandritra ny hetsiky ny Alliance française, tao anatin’ny “AF Mobile” no nanomezana tosika ireo ankizy sy tanora, mpianatra, misehatra eo amin’ny tontolon’ny haikanto. Eo koa anefa no nisarihana ireo mbola variana amin’ny zavatra hafa.

Tontosa omaly, teny anivon’ireo sekolim-panjakana sasany, teto amin’ ny fari-piadidiam-pampiana­rana Antananarivo Renivo­hitra, ny fidinana ifotony nataon’ny Alliance française niaraka tamina mpahay kanto san­gany, miangaly haikanto sami­hafa. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nihaonan’ny mpianatra sy ireto mpahay kanto ireto nifampizarana sy nanehoan’ny rehetra ny ta­lenta sy fahaiza-manaony avy. Fampahafantarana ny zavamaneno malagasy, fanoka­fana fampirantiana sary, fampisehoana zavamaneno sy dihy ary hatsikana no nandravahana izany hetsika izany. Ankoatra ny fampiroboro­boana ny haikanto maro samihafa, tanjona ny hitaona ireo ankizy sy tanora, indrindra ireo mpianatra, ho liana sy hankafy haikanto.
EPP Andrefan’Ambohija­na­hary sy EPP Bernard Canut Faravohitra ary Lycée JJR Analakely no nisitraka ny fitsidihan’ny AF Mobile, omaly. Raha tsiahivina, fitetezana
sy fidinana ifotony ataon’ny Alliance française, amin’ny alalan’ny fiarabe ny AF Mo­bile. Omaly, fizarana sy fampisehoana haikanto no nanamarihan’izy ireo izany. Anisany ny fampahafantarana ny zavamaneno nentim-paharazana, niarahana tamin’ny Ragasy, tao amin’ny EPP Andrefan’Ambo­hi­janahary. Teo ihany koa ny fanokafana ny fampirantiana sary nataon’ireo ankizy mpianatra tao amin’ny EPP Ber­nard Canut Faravohitra. Nitohy tamin’ny fampisehoana dihy sy zavamaneno velesina teny amin’ny Lisea JJR Analakely izany avy eo. Namaranana azy kosa ny fampisehoana hatsikana sy tsianjery tamin’ ny teny Frantsay.
Manoloana ny fanatontoloana sy ny firoboroboan’ny haitao ara-kajy mirindra, so­mary variana loatra any amin’ izany ireo tanora sy ankizy indrindra ny mpianatra. Izany no nanaovana izao hetsika izao ho fampahafantarana ny mpianatra ny fisian’ny kara­zana haikanto sahala amin’ itony, ho fialamboly sy fanitaran-tsaina ary fanabeazana ho azy ireo.

Lin

Partager sur: