Lalam-pirenena faharoa (RN2): hanao rodombe hitsabo maimaimpoana ny infirmiera

Hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny infirimiera ny eo anivon’ny Holafitra (Conim), amin’ny herinandro ho avy io. Hitsabo maimaimpoana ireo mponina amin’iny lalana mihazo an’i Toamasina iny izy ireo amin’izany.

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera, Andria­na­ri­son John na i John Love, fa maherin’ny 4 000 ireo hiara-kiasa amin’izy ireo amin’izao hetsika mandritra ny herinandro izao. Hiainga eny Tsiadana ny 6 mey izao ny “Rodoro­don’ny infirimiera ho an’ny fahasalamana” ary handalo an’i Vatomandry, ny 8 mey izao. Any Brickaville kosa, ny 9 mey ary hofaranana any Toamasina, ny 10 mey. “Ho maimaimpoana avokoa ireo fitsaboana ataon’izy ireo. Anisan’izany ny fitiliana ny diabeta, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny VIH Sida, ny fanabeazana aizana ary ny torohevitra ara-pahasalamana”, hoy izy, tetsy Ankorondrano, omaly. Hotanterahina ao Toamasina, amin’ ny alalan’ny hetsika samihafa izany fanamarihana izany. Eo ny diabe sy ny lahateny samihafa ary koa ny fetin’ny infirmiera.

Fiaraha-miasa amin’ny Mercy Ships

Mpanohana sy mpiara-miombon’antoka ary miara-miasa amin’izy ireo amin’izany hetsika izany ilay sambo hopitaly ao Toamasina, Mercy Ships. Manofana ireo infirmiera teratany malagasy koa sady mandray ireo hiasa an-tsitrapo amin’ny fitsaboana maimaimpoana ataony eny ambony sambo amin’izao fiantsonanany eto amintsika izao.
Ankoatra izany, hitohy any Foulpointe, ny 12 mey ny fihaonamben’ny infirmiera amin’izao fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho azy ireo izao.
Mbola nanentana hatrany ny holafitra ny amin’ny tokony hahamailo ny mponina amin’ireo misoloky ny asan’izy ireo. Antony hidinana eny ifotony amin’ireo mpiara-belona izany, hifaneraserana amin’izy ireo, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: