Fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra: nahazo fitaovam-pandrefesana ny Meteo Madagasikara

Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra, misy fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny Meteo Madagasikara sy ny vondrona Suez-Transi­tec-DVDH. Nahazo fitaovam-pandrefesana vaovao hana­raha-maso ny fahalotoan’ny rivotra tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandrafetana ny drafitry ny fivezivezena an-tanàn-dehibe maharitra iarahana amin’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro ta­min’ny alalan’ny Foibe faman­tarana ny toetry ny andro.
Azo entina mandehan­deha ity fitaovana ity ary hampiasaina manokana ho fana­tsarana ny fahalalana momba ny fahalotoan’ny rivotra ate­raky ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra.
Ahafahana mamantatra tsaratsara kokoa ny lohara­non’ny fahalotoan’ny rivotra sy manatsara ireo paikady hampihenana ny fahalotoan’ny rivotra an-tanàn-dehibe ny teknolojia vaovao toy itony.
Mamoaka fampahalalana momba ny tahan’ny fahalo­toan’ny rivotra tsy tapaka sy ny Vina ho an’ny telo andro ho avy ny Meteo Madagasikara ahazoan’ny tsirairay mandray fepetra.

Vonjy

Partager sur: