Manentana sy mampahafantatra ny laharana maitso 930 ny ekipan’ny BNGRC sy ny PAM, ny herinandro lasa teo. Nanombohana izany ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Tanjona ny hanapariahana ity laharana ity, ahafantaran’ny olona ny fisiany sy ny fomba fampiasana azy ary indrindra ny hanentanana ny vahoaka hampiasa izany.
Laharana an-tarobian’ny fanjakana ny laharana maitso 930 ka ny BNGRC no tomponandraikitra mitantana ny fampiasana azy. Azon’ny olon-drehetra manerana ny Nosy antsoina maimaimpoana ny laharana raha misy tranga eo amin’ny fiarahamonina: fanolanana zaza tsy ampy taona, herisetra mihatra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, na koa misy fitarainana, na tsikera sy soso-kevitra, ho fanatsarana ny fomba fiasan’ireo mpiantsehatra mifantoka amin’ny maha olona eny ifotony.
Azo antsoina amin’ny fotoana rehetra ny laharana ary misy olona afaka ifampiresahana mivantana hatrany. Tsy tokony hampanahy ny miantso azy satria mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ireo mpiantso, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Miara-miasa akaiky ny BNGRC sy ny PAM ary ireo fandaharanasa mifantoka amin’ny fitsinjovana ny maha olona. Mamolavola ny paikady amin’ny fitantanana ny laharana ny BNGRC amin’ny maha mpandrindra nasionaly ny asa manodidina ny maha olona azy, manohana ara-bola sy ara-kevitra kosa ny PAM.
Vonjy