Manakaiky ny mponina ary hisorohana ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny tobin’ny zandary Talata Volonondry. Notokanana ny zoma 3 mey teo izany.
Navadika ho tobin’ny zandary ankehitriny ny zana-tobim-paritra nisy teo aloha, ho an’ny ao Talata Volonondry. Manoloana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, niara-nisalahy nanao ezaka manokana ny kaominina ao an-toerana nanangana io fotodrafitrasa vaovao io. Mitombo isa ny mponina ao an-toerana ary mivelatra manaraka izany koa ny tanàna. Tapa-kevitra, noho izany, ny tomponandraikitra misahana ny kaominina sy ny mpiara-miasa aminy fa vaindohan-draharaha ny fanamafisana ny fandriampahaleman’ny tanàna hampirindra hatrany ny fiarahamonina. Lohalarana amin’izany, ny fananganana ity tobin’ny zandary vaovao ity. Nitarika ny fitokanana io fotodrafitrasa io, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Jly Ravalomanana Richard, notronon’ ireo olo-mana-kaja maro. Nankasitraka manokana ny fiaraha-mientan’ny mponina eo anivon’ny kaominina ny tenany, noho ny fahatontosan’izao fotodrafitrasa izao. Ankoatra io, nidina ifotony tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, Jly Rakotondrazaka Andry. Nifampiresaka mivantana tamin’ny solontenan’ny OMC ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro izy. Nodinihina, nandritra izany, ny rindran-damina manokana sy ny paikady entina hiarovana ny vahoaka ifotony.
Tsiferana R.