Ho fisorohana ny loza izay mateti-pitranga amin’ny mpitondra moto sy bisikileta dia hanofana ireo mpitondra izany ny DGSR. Maro loatra ny aina nafoy noho ireo fitaovam-pivezivezena ireo.
Hanatanteraka fiofanana ho an’ireo mpitondra moto izay efa an’aliny eto Antananarivo ny fitaleavana misahana ny fandriampahaleman’ny lalana (DGSR), rahampitso. Hatao ao amin’ny foibe fitsarana fiara etsy By Pass izany.
“Aotra maty ho an’ny lozam-pifamoivoizan’ny kodiaran-droa” no lohahevitra voizina mandritra ny fihaonana.
Ndao hikaondoha hisorohana ny loza satria lahitokana ny aina. Io no tarigetra hanatrarana ny tanjona dia ny hiainana ao anatin’ny fetin’ny Pantekoty hieren-doza.
Voakasiky ny fanentanana ireo matihanina, mpampiasa vao misandratra, mpankafy, mpitia na mpitsiriritra na vao hividy moto sy bisikileta. Eo indrindra koa ireo taxi-moto, taxi-bisikileta, livreur, mpiasan’ny orinasa, miasa tena….
Fiofanana sy fampianarana, fanentanana, fizarana traikefa, torolalana sy toromarika… no ifampizarana
Noho ny fahatsapana fa maro loatra ireo fahavoazana, lozam-pifamoivoizana sy fandikan-dalàna hita eo amin’ny kodiaran-droa no anton’ny fanentanana sy fampianarana.
Efa mila ho isan’andro ny fahitana loza ho an’ny kodiaran-droa. Raha tsy maty dia mitondra takaitra ny mpitondra azy ireny. Lasibatra ny aina ary anisan’ny mijaly ireo nilaozana tany an-tokantrano rehefa razana sisa no mody.
Efa fitaovam-pifamoivoizana be mpampiasa izy ity satria sady mitsitsy solika no tsy miaritra fitohanan’ny fifamoivoizana, indrindra mahavita ny fivezivezena haingana raha oharina amin’ny fiarakodia. Maro koa anefa no tsy mahafehy azy ireny ka lasa miteraka olana ho an’ny fifamoivoizana. Izany indrindra no antony maha zava-dehibe ny fifanentanana sy ny fifampizarana, hisian’ny fitondrantena mendrika eny an’arabe sy ny fanarahan-dalàna.
Tatiana A