Tsy vonjy tavanandro

 

Anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka ny kandidà isanisany, ankehitriny. Mafana ery ny « ambiansy », eny an-kianja. Carnaval sy fetibe isan’andro indray aloha no iarahan’ny vahoaka sy ny olona ho finidiny. Hadinodino anatin’ny fotoana fohy Rafahantrana sy Rafahasahiranana. Maresaka ny tanàna amin’ny fitsinjahana ankamalanjana. Samy manovokovoka rahateo ny mpisehatra rehetra.
Ny biletà tokana avy any Afrika Atsimo, efa nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Miandry ny fotoana izay hanaparitahana azy isaky ny birao fandatsaham-bato sisa. Ny andro malaza no andrasana dia ho hita eo ny ho fizotry ny fiainana politikan’ilay firenena. Ain-dehibe ho an’i Madagasikara rahateo ny fifidianana ireo handrafitra ny antenimiera mpanao lalàna.
Zava-dehibe ny ho fahatomombanan’ny fikarakarana sy ny fizotry ny fifidianana.
Manoloana izany, somary lasa ihany ny saina aloha amin’ny fizotry ny fampielezan-kevitra, indrindra ny fifampitondran’ny mpifidy sy ny hofidina. Zary variana amin’ny fanomezana maimaimpoana, mandalo dia miserana, ny ankabeazan-dRamalagasy. Sanatrian’ny vava hisafidy mpanao asa soa fa tsy hametraka mpanao lalàna. Sodokan’ny tapi-maso isan-karazany, tsy mifanentana amin’ny tena iraka hampanaovina ny solombavambahoaka.
Lesoka iray, tsy ampy eto Madagasikara rahateo ny fanabeazana ny olom-pirenena mahakasika ny fifidianana. Manana adidy goavana ny fanjakana na ireo rantsa-mangaikany. Toraka izany ny fikambanana tsy miankina. Tsy ampy ny fitanisana ny lesoka sy fanomezan-tsiny rehefa misy ny tsy mandeha amin’ny laoniny. Tokony ho herivelona mpanentana mialoha ny fifidianana aza ny vondrona na fikambanana. Zary vonjy tavanandro ny filazana fa mpanara-maso ny fifidianana amin’ny andro hanaovana izany.

r.r

Partager sur: