Narimanana. Anarana tsy afaka amin’ny fiangaliana ny gitara, indrindra ny mozika klasika an-gitara. Anisan’ireo sangany sy malaza amin’izany mantsy ity mpanakanto ity. Fantatra fa i Narimanana indray no hanafana ny «Dimanche classique» andiany faha-14, izay hotontosaina rahampitso alahady 12 mey, manomboka amin’ny 4 ora, etsy amin’ny Alliance française Andavamamba. Hamerina ny sanganasan’ireo andrarezin’ny gitara klasika maneran-tany izy mandritra izany, ka anisan’ireny ireo feon-kira noforonon-dry Fernando Sor, Francisco Tarrega ary Mangore. Tsy vaovao amin’i Narimanana ny fiangaliana ireo mozika klasika an-gitara malaza. Izay efa mpanaraka azy na ireo mpianany amin’ny gitara dia mahalala tsara izany. Efa an-taonany maro no nitrandrahany sy nanapariahany ny fitendry gitara klasika, ary anisan’ireo mpianatr’i Narimanana izay efa manana ny lalany manokana ireo zanany.
Tafiditra hatrany anatin’ny fampitiavana ny mozika klasika, izay voizin’ny fikambanana Madagascar Mozarteum ny «Dimanche classique». Mameno ny «Classique de midi», fanao ao amin’ny IFM Analakely izany. Hatao isaky ny roa volana kosa ity hetsika ao amin’ny Alliance française Andavamamba ity.
Zo ny Aina