«Celibat events», io no anarana nasalotry ny Alone mpikarakara ilay ambohi-pihaonan’ireo mitady sila-panahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely no hanatanterahana azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 mey, hanomboka amin’ny 5 ora hariva. Fandaharam-potoana anatin’ny «Celibat events» ny fisian’i DJ Robs Mc, hanakorisa ireo hira malagasy sy vahiny nalaza ny taona 1980-1990-2000 hipaka hatramin’izao. Hahazo laka ny resa-pitiavana. Hisy ihany koa ny fandefasana sarimihetsika mirakitra tantaram-pitiavana mahasondriana (film romantique). Ireo rehetra ireo holafihina sakafo sy zava-pisotro sahaza ny rehetra ary arahina «karaoke» sy dihy.
Tanjona amin’ny «Celibat events» ny ahafahan’ireo mitady sila-panahy hihaona anaty toerana mendrika sy milamina ary anatin’ny fifanajana. Maro amin’ireo mbola mpitovo no sahirana amin’ny fanatanterahana ny fihaonana amin’izay heveriny fa ho sila-panahiny noho ny antony maro. Isorohana ny fihaonana mety hisy hosoka ihany koa no hanatanterahina ny «Celibat events» izay fihaonana mivantana tsy misy elanelana intsony.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto