Anisan’ny lasibatry ny fahalotoan’ny rivotra ny sokajin’olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza. “Tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny rivotra maloto kanefa mankarary”, hoy ny mpikaroka momba ny toetr’andro, Rakotomavo Zo.
Niresaka manokana momba ny fiantraikan’ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny fahasalamana ny mpikaroka momba ny toetr’andro, Rakotomavo Zo, omaly, tao amin’ny fandaharan’ny masoivoho amerikanina.
« Tsy tena hita maso kanefa mankarary ny fahalotoan’ny rivotra », hoy ity mpikaroka ity. Misoko miadana ny aretina ateraky ny fahalotoan’ny rivotra. Manome vahana ny fisian’ny homamiadana. Ny singa maloto dia misy akora simika miaraka aminy ary mety hampihetsika aretina betsaka.
Misy ny singa madinika tsy hita maso izay tsy voasivan’ny lalan-drivotra. Ampahafolon’ny singam-bolo (2,5 micrometre) ny habeny. Tsy voasivan’ireo taova ara-boajanahary amin’ny vatana. Tafiditra anaty avokavoka sy any anaty ra mihitsy aza.
Ny zavatra ataon’ny olombelona no tena mandoto ny rivotra. Ireo setroka avoakan’ny fiarakodia, doro tanety, entona avoakan’ny orinasa…
Antananarivo, tanàn-dehibe no tena maloto rivotra indrindra eto Madagasikara. Rehefa volana oktobra , novambra, desambra no tena maloto be ny rivotra. Misy zavona manaporofo izany, hita maso mihitsy amin’ireo fotoana ireo.
Rehefa avy ny orana dia voadio ny rivotra. Mandavantaona kosa dia misy foana ny fahalotoan’ny rivotra ateraky ny fiarakodia.
Rehefa miakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra dia tena ilaina ny miova rivotra any ambanivohitra, tsy tokony hanao fanatanjahantena mahery vaika… Raha ao an-trano dia sokafana ny trano mba hivezivezy ny rivotra. Manao arovava orona hiarovana amin’ny rivotra maloto. Ireo olona taizan’aretina toy ny sohika dia mivatsy fanafody hatrany satria mampihetsika ny aretina ny fahalotoan’ny rivotra.
Tao anatin’ny 3 taona no nanaovana fanaraha-maso tsy tapaka ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Manana ny fitaovam-pandrefesana ny fahalotoan’ny rivotra ao amin’ny toeram-piasany ny masoivoho amerikanina. Misy fitaovana afaka vidian’ny olon-tsotra sy ny orinasa ihany koa ao. Misy zavamaniry azo handrefesana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. 9 ny toeram-pandrefesana eto Antananarivo.
Anjaran’ny foibe famantarana ny toetr’andro ny mijery ny fivoaran’ny atmosfera ary ao anatin’izany ny rivotra.
“Sarotra ny fandresen-dahatra ny olona amin’ny fiarovantena amin’ny fahalotoan’ny rivotra sy ny fisorohana tokony hataony satria zavatra tsy hita maso no lazaina fa mampidi-doza”, hoy ny mpikaroka Rakotomavo Zo.
Tatiana A