Tanterahina any Mahajanga, ny 14 ka hatramin’ny 16 mey izao, ny Andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Nanazava ny filohan’ny Holafitry ny farmasianina, Rakotomalala Tantely, fa fampahafantarana ny antom-pisian’ny holafitra no atao mandritra ny 3 andro. Misy amin’ireo mpiantsehitra amin’ny fahasalamana no tsy mahafantatra akory ny antom-pisian’ny holafitra. Ankoatra izay, fanehoana ny maha iray ny holafitra ny hetsika. Hifampizara traikefa sy fahaiza-manao ny rehetra. Iray ny tarigetra dia ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Tamin’ny taon-dasa no nisy hetsika voalohany ho an’ny Holafitry ny fahasalamana, teto Madagasikara, izay natao tany Toamasina. Ampisehoana ny maha iray ny Holafitry ny fahasalamana.
Hisy ny fanentanana ny mpianatra momba ny antom-pisian’ny holafitra satria izy ireo no ho matihanina amin’ny sehatry ny fahasalamana ao aoriana. Nosafidiana i Mahajanga hanaovana ny hetsika satria hita any ny fampianarana ara-pahasalamana maro.
Tatiana A