Natao tamin’ity herinandro ity ny Andro natokana ho an’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, nokarakarain’ny Imra. Nahasarika ireo dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana ny hetsika. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny profesora Ramanitrahasimbola David momba ny “Urologie”, teo koa ny mahakasika ny diabeta.
Nitsidika an’i Matsiatra Ambony ny solontenan’ ny OMS eto Madagasikara sy ny talem-paritry ny Fahasalamana ho fanomanana ny hetsika fanaovam-bakisiny faobe hiadiana amin’ny aretina lefakozatra. Hetsika izay hotanterahina manerana an’i Matsiatra Ambony, ny 14 hatramin’ny 17 mey ho avy izao.
Tanora miisa 162 no nisitraka fiofanana arakasa tao vakinankaratra. Niompana tamin’ny zaitra sy rafitra ary ny asa vaventy no nianaran’izy ireo. Niaraka tamin’ny porofon’ny fahaizany avy ireo mpianatra, hanamarinana ny fahaizana azony nandritra ny fiofanana. Afaka miantsehatra avy hatrany amin’ny asa izy ireo aorian’izao.