Haingana ny asa ary manara-penitra. Vita tanteraka ny asa rehetra nanavaozana ny kianja Barea Mahamasina hifanaraka amin’ny fepetra takin’ny Caf. Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja.
Nampahafantatra ny sekreteram-panjakana miadidy ny trano fonenana sy ny tanàna vaovao (SENVH) fa vita ny asa vaovao fanampiny, manaja ny fepetra takin’ny Caf handraisana lalao iraisam-pirenenena ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisan’izany ny fametrahana tohatra fanampiny miisa 8 eo amin’ny gradin. Raha 8mn ny fepetra napetraky ny Fifa dia efa manana ny fepetra fivoahana maika raha sanatria misy loza latsak’io 8 mn io ny kianja ny Barea. 7mn eo amin’ny tribune, 5 mn eo amin’ny gradin. Napetraka ny tohatra miisa 8 vaovao milatsaka mivantana eo amin’ny kianja ny Barea ankoatra ireo 5 efa misy. Vita ihany koa ny tohatra 2 fanampiny avy eny amin’ny tribune ankoatra ireo 2 efa misy hanamorana ny fidinan’ny olona avy eny ambony.
Tafapetraka ny vavahady fanampiny natokana ho fivohana fotsiny miisa 2. Eo amin’ny vavahadin’ny P2 ny voalohany, ampitan’ny Ste Famille ary eo akaikin’ny Hopitaly Befelatanana kosa ny faharoa P3. Ankoatra ireo vavahady lehibe efa misy eo amin’ny P1 sy eo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena.
Napetraka isaky ny vavahady 5 lehibe fidirana ny tourniquet hanisana ny mpijery na dia efa misy laharana aza ny seza. Nasiana fampahafantarana mazava ny lalana miditra ao amin’ ny efitrano fitsaboana ary nampiana fitaovana sy fanafody fanampiny ny infirmerie sy ny faritra fanaraha-maso miady amin’ny zava-mahadomelina.
Nofaritana ny toerana iasan’ny Croix Rouge, vonjy taitra raha misy loza mitranga amin’ny mpijery. Nampitoviana ny haavon’ny bozaka ary mitohy ny fikojakojana ho vonona handraisana ny lalao. Tohizana hatrany ny asa fanatsarana ny kianja barea amin’ny alalan’ny tolo-tanana omen’ny governemanta sy ny SENVH ary ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Maneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Caf sy ny Fifa i Madagasikara, hoy ny SENVH.
Tatiana A