« Slam Poèsie »: norombahin’i Noférima ny amboara maneran-tany

Nody aty Afrika indray ny amboara maneran-tany eo amin’ny Slam poèsie, raha teratany italianina no nandrombaka izany tamin’ny andiany faha-17. Niezaka ary anisan’ny nahatalanjona ny maro ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny solontenan’ny Malagasy, nandritra ny hetsika.

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tao Belle Ville Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam 2024», fifaninanana fiadiana ny am­bo­ara maneran-tany, andiany faha-18, eo amin’ny taranja Slam poèsie. Noférima, teratany ivoarianina, mpiangaly Slam poèsie no nandrombaka izany amboara maneran-tany, eo amin’ity taranja ity, izany. Ny totalin’isa 89,4 no nandrombahin’ity Ivoarianina ity ny fandresena. Mpifaninana miisa enina izy ireo no niatrika ny dingan’ny famaranana, raha niisa 20 izany tany am-piandohana. Tsara marihina fa anisan’ireo mpifaninana enina niatrika ny dingan’ny famaranana i Santa, nisolo tena an’i Madagasikara, tao anatin’iny fiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny tontolon’ ny Slam poèsie iny.
Tsy nitsanga-menatra, afa­ka nirehareha fa manana ny maha izy azy, eto amin’ity izao tontolo izao ity, ny Slam malagasy. Teo amin’ny laharana fahefatra, tamin’ny alalan’ny tambatrisa 86, no nisy ny solontenan’i Madagasikara, nitovy isa tamin’i Gloria Riggio, nisolo tena an’i Italia, tao anatin’iny fiadiana ity amboara ity. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tsy mora ny fifaninanana, nisy fihetseham-po marobe. Saingy tsy omena ny rehetra ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara maneran-tany. Ny fahatongavana ho anisan’ny folo farany tavela tao anatin’ny fifaninanana dia efa hafaliana lehibe ho an’ny fianakaviamben’ny Slam malagasy.

Avy hatrany dia hitodi-doha ho any Allemangne i Santa sy ny System D, izay delegasionina malagasy miatrika ny “Grand Poetry Slam 2024”. Ao anatin’izany dian’izy ireo izany no hanaovany fampisehoana, fifanakalozana ary fitadiavana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa sy fifandraisana amin’ny fianakaviamben’ny Slam malagasy any ivelany.

Lin

Partager sur: