«Louis Roederer Foundation Photography World Prize for Sustainability 2024». Fifaninanana saripika iraisam-pirenena goavana indrindra izy ity. Anisan’ireo tafakatra amin’ny dingana famaranana amin’izany ilay mpaka sary malagasy, Pierrot Men. Sanganasany miisa 10 no nalefan’i Pierrot Men nifaninana tamin’ny volana oktobra 2023. Sary maneho ny tontolo ivelaran’ny Malagasy amina faritra maro, izay nahafantarana ny talentan’ity mpaka sary ity hatramin’izay. Sary maneho ny tontolo iainana rahateo no masontsivana voalohany takin’ny fifaninanana.
Nahatratra 54 ireo mpaka sary maneran-tany nandefa ny sanganasany hifaninana amin’ity loka goavana ity. 6 tamin’izy ireo no notanan’ny mpitsara hiatrika ny dingana famaranana, izay hatao any Paris, ny 7 novambra 2024, ka anisan’ny hiatrika izany i Pierrot Men. Ambony dia ambony ny tokinaina hahazoany ny loka.
Zo ny Aina