Nafenina tao anatin’ny fanajana ny fomba, miandry masoandro maty, omaly hariva, teny Ambohimamory Ampitatafika, Andriantsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Xhi. Izy izay anisan’ireo mpandala ny kolontsaina malagasy sy mpahay kanto, mpanao hosodoko, sangany.
Nisokatra ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny La Colline- Maison Sociale des Arts Ambatovinaky, ny fampirantiana “Ra Mahery: Fandalovana ny fiainana”. Tojohery Andriamasinoro no mpanatontosa ny fampirantiana. Izy izay anisan’ireo mpanao hosodoko vao misandratra nefa manana ny maha izy azy.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny
amin’ny Smak Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “IRIE Festival” andiany fahatelo. Hetsika nanasongadinana ny gadona reggae sy nanomezana sehatra ireo mpanakanto miangaly izany gadona izany. Ankoatra ny fampisehoana, nisy ny fampirantiana sy lalao maro, nentina nanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpankafy.
Mitohy eny amin’ny Tranosary Ambohidahy, hatramin’ny 30 mey 2024, ny rantin-tsary mitondra ny lohateny hoe “Les Quotidiens des Malgaches”, an’ny UPPM. Fampirantiana hanehoana ny fiainana andavanandron’ny Malagasy avy amin’ny faritany maro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanana izao hetsika izao.