Mamparefo ny tanàna mandritra ny loza voajanahary ireo fotodrafitrasa tsy voahevitra eto Antananarivo Renivohitra. Mila fanavaozana, araka izany, ny paikady fitantanana ny loza.
Manoloana ny fitomboan’ny mponina mihoapampana an-tanàn-dehibe dia mila paikady ny fitantanana ny loza. Anisan’ izany ny eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny BNGRC. Nanatanteraka atrikasa, araka izany, ny BNGRC sy ny tetikasa Produir hanavaozana ny drafitra fiomanana amin’ny loza ho an’ny eto an-drenivohitra. Tanjona ny hanamafisana ny fahafaha-miatrik’ireo mponina an-tanàn-dehibe ny loza, indrindra ny tondradrano na fihotsahan’ny tany rehefa fotoan’ny fahavaratra.
Kendrena ny hanohanana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana amin’ny fampihenana ny loza sy ny tandidon-doza (RRC) amin’ny drafitra fampandrosoana. Eo koa ny fahaizana miara-miasa amin’ireo solontenam-panjakana mba hampitombo ny fahafahan’ny mponina miatrika ny loza voajanahary momba ny fiarovana ny ankizy.
Mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny kaominina amin’ny fiatrehana ny loza mety hitranga amin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2023-2024-2025, dia ilaina ny fanavaozana ny drafitry ny fiatrehana ny rivodoza sy ny tondradrano ao amin’ny faritra.
Mihazakazaka ny fitomboan’ny mponina eto Antananarivo, misy ireo avy any amin’ny faritra sy ambanivohitra no tonga eto hitady vola sy hianatra, mila trano anefa izy ireo hipetrahany, ary mitombo, noho izany, ireo fananganana trano fonenana. Maro ireo manorina izany amin’ny toerana tsy natao ho amin’izany na amin’ny faritra iva na amin’ny faritra amoron-tevana, izay miteraka faharefoana rehefa mitranga ny loza voajanahary.
Tompon’antoka voalohany ny kaominina amin’ny fitantanana ny tanàna ka anjaran’izy ireo ny miahy sy miaro ary manampy ireo vahoaka rehefa misy ny loza mitranga. Miteraka fanamby lehibe, noho izany, ny fitantanana ireo mponina tandidonin-doza amin’ny tondradrano sy rivodoza ary ny fihotsahan’ny tany sy ny loza voajanahary maro hafa ka anton’ny atrikasa tsy maintsy natao.
Tatiana A