Ahitana tangoron-drahona arahi-maso akaiky ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Madagasikara. Heverina ny hitomboan’izany hery, amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Tsy mbola hanambana an’i Madagasikara kosa anefa izany ao anatin’ny 3 andro ho avy, hoy hatrany ny Meteo.
Na dia efa aty amin’ny volana mey aza dia mbola tomombana ny toetry ny ranomasina hampahazo hery ity tangoron-drahona ity ka mila manaraka akaiky ny fivoaran’ny toetry ny andro ireo any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.
Mandalo ao atsimon’i Madagasikara ihany koa ny rindrin-drahona izay mampalefaka ny varatraza. Hisy ny orana any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana.
Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro ary hisy ny zavona amin’ny faritra sasany izay tokony hitandreman’ireo mpampiasa lalana.
Eto Antananarivo, efa tena mamanala rehefa madiva haraina ary mila manao mafana ireo mpianatra sy mpiasa tsy maintsy mandeha maraina. Mipoaka ihany ny masandro rehefa tolakandro.
Tatiana A