Fanadinana bakalorea : manomboka ny adina ara-panatanjahantena

Nanomboka ny sabotsy teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny bakalorea eto Antananarivo. Natomboka tamin’ny taranja lomano izany tetsy Ampefiloha. Hitohy ny adina hatramin’ny 21 jona izao. 215 ireo mpiadina nisafidy ny taranja lomano. Mahatratra 80 000 kosa ireo mpiadina rehetra hiatrika ny adina ara-panatanjahantena amin’ny sokajy rehetra manerana an’Analamanga.
Nilamina ny fanatanterahana ny adina lomano teny Ampefiloha. Nahafeno ny fepetra manodidina ny fiarovana ireo mpiadina nandritra ny fanadinana. Miaraka mampahomby ny fanatanterahana izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Ao anatin’ny fanazarantena ny miadina amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka. Manaporofo izany ny hamaroan’izy ireo mihazakazaka maraina amin’ireo toerana malalaka sy arabe migodana. Ilaina ny fanomanan-tena mialoha raha ny torohevitry ny mpitsabo. Tsara ny fitaizana ny fisefoana sy ny fananana fahazarana mihazakazaka maharitra mba tsy hanampoka ny vatana rehefa fotoan’ny fanadinana. Raha azo atao dia mandeha mitsapa mivantana ny toerana hanatanterahina ny fanadi­nana ara-panatanjahantena mihitsy hiomanana ara-tsaina sy hifehezana sahady ny toerana.

Tatiana A

Partager sur: