INDRAY MIJERY

Manana tombony ny tanora eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afaka mianatra teny espagnol maimaimpoana. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo ny fanatanterahana izany, izay haharitra 5 volana. Heverina hahay ny fototra amin’ny fiteny espagnol ireo mahatozo hatramin’ny farany ny fiofanana.

Nanatanteraka rodorodo ny infirmier rehetra manerana ny Nosy ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny infirmier, omaly. Nisy ny hetsika maimaimpoana toy ny famorana faobe, fitiliana diabeta, tosidra, tsy fanjarian-tsakafo. Teo koa ny fanentanana ara-pahasalamana maro isan-karazany. Nanatanteraka izany ny tany amin’ny faritra Atsinanana, Ihorombe, Diana ary ny faritra Analamanga.

Ny 26 mey izao no hanamarihina ny fetin’ny reny. Efa somebiseby ny ankohonana mitady izay fanomezana ho an’i Neny. Maro ny safidy ary mivoatra manaraka ny vanim-potoana ireny karazana fanomezana ireny. Ankoatra ny kojakojan-dakozia izay efa mahazatra, betsaka ihany koa ireo toerana manao tolotra manokana ho an’ny endrika amam-bika.

Partager sur: