Izay vandana dia kary!

 

Maro dia maro ny olona niakatra teny amin’ny fampanoavan’ny Sampandraharaham-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), omaly. Tsy mbola nisy tahaka izany angamba teny amin’ny Lapan’ny fitsarana 67 ha. Nirodorodo ny mpanatitra antontan-taratasin’ady mahamay, toy ny fadintseranana sy ny Jirama.
Anisan’ny nandrasan’ny maro ny mahakasika ny trafikana harena voajanahary tany Thaïlande iny. Tsy mbola nisy nipika ny vokatra hatramin’izao. Ny hany nivoaka teny an-dalantsara dia hoe nahita ny tsy fahita mihitsy aloha ilay teratany sinoa, ahina ho tompon’andraikitra voalohany teto Madagasikara. Niaritra ny mafy ihany koa ireo Malagasy niandry ny anjarany, izay tsy nandeha raha tsy alimbe.
Raha mijery ireo olona voarohirohy eto an-toerana dia hita fa tsy olonolom-poana izy ireny. Manana ny maha izy azy avokoa. Manana andraikitra tsy azo tsinontsinoavina ny sasany. Mahalasa saina izany? Izy ireo ihany ve anefa? Tena izy ireo tokoa? Raha mijery ilay sora-bola nihodina tao, izay 3 000 000 dolara, hono, fara fahakeliny! Vola anie izany rey olona. Raha ny fitiavam-bolan’ny sasany nahazo fahefana, ankehitriny, sarotsarotra inoana ny tsy hahalavo azy amin’ny fakam-panahy.
Tsy azo atao anefa ny miampanga fahatany, sao sanatrian-dresaka tondro molotra sy halako bika tsy tiako tarehy fotsiny. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana. Mbola misy ny hazalambo atao eto an-toerana. Ny an’ny Thaïlandais aloha ireny efa nihidy avy hatrany.
Andrasana ny fivoaran’ny raharaha, tsy tokony hisy ny kiantranoantrano fa izay vandana dia kary. Sanatrian’
ny vava dia izay fandoto iray tandroka ve no hanimba ny fandio iray siny? Mila mitandrina sy mailo hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny fisorohana ny tampoka na ny singam-bolo mety handavo ny vositra.

r.r

Partager sur: