Haharitra hefarana ny fanaovam-baksiny faobe, maimaimpoana, hiarovana amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona ny fatra ho an’ity andiany voalohany ity.
Hanomboka anio ary hifarana ny zoma 17 mey, ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra, ho an’ny zaza sy ny ankizy latsaky ny 15 taona, manerana ny Nosy. Hotanterahina manerana ny tobim-pahasalamana sy ny toerana voatokana ary isan-tokantrano ny andiany voalohany ho an’ity taona ity. Efa nitety trano ny mpanentana ara-pahasalamana ny faran’ny herinandro teo nametraka ny marika ho an’ny tokantrano manan-janaka latsaky ny 15 taona handray ny vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra. Vaksiny atete indroa ao am-bava no hatao ary tsy mitera-doza ho an’ilay zaza ny famerenana azy fa manamafy ny hery fiarovany. Nihena ny fahazotoan’ny ray aman-dreny nampanao vaksiny ny zaza nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus sy taorian’izay ka fanarenana ny fahavoazana vokatr’izany izao atao izao. Tafiditra anatin’ny ady amin’ny aretina azo sorohina amin’ny vaksiny ny hetsika.
Mahatratra 12 851 149 ny zaza vao teraka hatramin’ny 14 taona, manome 47,1% amin’ny mponina. Ho fongotra tanteraka ny polio raha mampanao vaksiny ny zanany ny ray aman-dreny. Tamin’ity taona ity, 160 ny tranga hita fa tsy voamarina fa poliomelita taorian’ny fakana ny rano maloto mandeha amin’ny toerana fito. Nisy vokany ny fanaovam-baksiny faobe nisesisesy natao manerana ny Nosy.
Amin’ny volana jolay ny hetsika fanaovam-baksiny faharoa hiarovana amin’ny valanaretina poliomelita.
Avy amin’ny tay miparitaka eny ankalamanjana no mamindra ny aretina na koa ny tanana tsy voasasa ary ny rano sy ny sakafo tsy voadio. Miteraka fahalemena tampoka eo amin’ny rantsam-batana ny aretina poliomelita ary mety hiseho amin’ny olon-dehibe ihany koa.
Vonjy