Efa voaray ao amin’ny Hopitalibe CHU Tambohobe, Fianarantsoa, avokoa ireo mpianatra 26 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho ny alahady lasa teo. Niala avy any Andranomafana, distrika Ifanadiana, ho any Betafo ity fiara nitondra mpianatra ity. Alohan’ny hidirana an’i Vohiparara no niseho ny loza, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, ny alahady. Tsy nisy ny aina nafoy, araka ny fampitam-baovao.
Efa mandray an-tanana ny lany rehetra amin’ ny fitsaboana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fitondram-panjakana. Mankasitraka ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra tamin’ny famonjena sy fitsaboana ireo traboina ireo ny fianakavian’ny maratra.
Taorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho (nisy aina nafoy) tamin’ny RN1 farany teo, izay fiara nitondra mpianatra nivarina an-kady rehefa voadonan’ny fiara iray hafa, betsaka ny ray aman-dreny no naneho hevitra fa tokony hatsahatra aloha ny fitondrana mpianatra mivoaka ny toerana misy ny sekoly hisorohana ny loza tahaka izao.
Vonjy