Hafaliana hatrany ho an’ireo mpankafy azy. Mandalo an-tanindrazana indray, ary hiaka-tsehatra hiaraka amin’ireo namany tao amin’ny Lôlô sy ny tariny, i Hanitra Ranaivo.
«Maninona e?”, “Misy voalohany, misy farany”, “Tara”, “Olona manavy”, “Jakarandahy”, “Mpivahiny”, sns. Ireo ny hira tena nahenoana ny feon’i Hanitra Ranaivo, tao amin’ny Lôlô sy ny tariny. Tsy hadinon’ny tena mpankafy an’ity tarika ity mihitsy izany, na dia tsy naharitra tao amin’ny tarika aza izy. Porofon’izany ny fihetseham-po nitobaka, na ho an-dry zareo teny an-tsehatra na ho an’ireo mpankafy, nandritra ilay fampisehoana “Feo sy gitara”, natao tamin’ny taon-dasa, teny amin’ny Coliseum. Saika teo avokoa mantsy ireo mpikambana tao amin’ny Lôlô sy ny tariny tamin’io…
Fantatra izao fa mandalo an-tanindrazana indray i Hanitra Ranaivo. Hiray sehatra ihany koa amin’i Benny sy i Bebey izy, ny sabotsy 18 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Mazava loatra fa hamerina ireo fampiaraham-peo nahafantarana ny tarika tamin’izany fotoanany izy ireo. Fantatra koa anefa fa hanao ireo hirany manokana i Hanitra. Ireo hira voarakitra anatin’ny rakikira “Omeko anao” sy “Ny any aminay”. Anisan’ireny ny “Sedra”, “Lavitra anao”, “Habakabaka”, sns. Hanampy azy eny an-tsehatra rahateo i Jean Marc Bontemps, mpitendry gitara sady vadiny ihany. Eo ihany koa i Nini, izay efa mpanaraka an-dry Benny sy Bebey rehefa manao “Revy Lôlô sy ny tariny”, no efa mpanaraka an’i Hanitra ihany koa.
Zo ny Aina