Tafan-javakanto, ketriky ny tanora manan-talenta sy feno aingam-panahy ny « Kitantara ». Aseho an-tsehatra ao amin’ ny Alliance française Antsirabe izany, ny sabotsy 18 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fifanojoan’ny mozika sy ny slam, hiangalian’ny andriambavilanitra 4 samy manana ny hanitra ho azy izany. Na Hassi, poeta sy mpanao slam ny voalohany. Efa nahavita lalana lava teo amin’ny kanto ataony, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitetezana Alliance française 9 teto Madagasikara. Faharoa i Djette Valiha, mpanakanto mpanao mozika, ary anisan’ireo tovovavy an-kavitsiana mpikosoka kapila. Efa nandray anjara tamina hetsika maro izy, na mbola vao erotrerony aza. Fahatelo i Hoby Rajoelison, mpilalao sy mpandrindra an-tsehatra. Mpikambana ao amin’ny Cie Miangaly izy ary mivoy ny teatra ankehitriny. Fahefatra i Arizara, poeta sy mpanao slam, efa hatramin’ny taona 2019.
“Kitantara” satria misy lohahevitra marolafy hotantarain’ireto andriambavilanitra ireto, mandritra izany, amin’ny famoahany ny aingam-panahiny ao. Tsy azo faritana mialoha ny mety ho endriky ny seho, miankina amin’ny aingam-panahy sy ny takalon-kanto eny an-tsehatra.
Zo ny Aina