Tanterahina ao amin’ny Palais des festivals ao Cannes, France, nanomboka ny 14 mey hatramin’ny 25 mey 2024, ny « Festival de Cannes », andiany faha-77. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’
ny sarimihetsika maneran-tany. Fifaninanana maro, atrikasa, velakevitra sy valandresaka arahina adihevitra, iarahana amin’ireo sangany sy manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, no handravaka izany hetsika lehibe izany. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Laza, talen’ny Rencontre du film court Madagasikara (RFC), miaraka amin’ny Alliance panafricaine des scénaristes et réalisateurs (Apaser).
Tomefy mpanatontosa sarimihetsika maneran-tany ny Palais des festivals, tao Cannes, omaly, nandritra ny lanonanana fanokafana ny hetsika. Nentina nanokafana izany ny horonantsarin’i Quentin Dupieux, « Le Deuxième Acte ». Greta Gerwig kosa no ho filohan’ny mpitsara mandritra ny fifaninanana. Miisa 11 ny fifaninanana sy amboara ofisialy hozaraina mandritra ity « Festival” ity. Mahatratra hatrany amin’ny 21 kosa ny amboara hafa.
Raha ho an’ny sehatry ny sarimihetsika malagasy. Malagasy nandray anjara voalohany tamin’izany Andriamanantsoa Koloina, nandritra ny andiany faha-74. Fanararaotra lehibe hivelarana sy hampivelarana ny fahaiza-manao sy ny zava-bita, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ny « Festival de Cannes ».
Lin