Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny CGM Analakely, ny « Sokaf’hehy ». Fampisehoana hatsikana, iarahana amin’ireo Malagasy mpanao hatsikana vao misandratra. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara sy ny fampisehoana. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny hatsikana, indrindra ny “Stand Up”, eto Madagasikara.
Hahazo vahana ny ankizy ao anatin’ny hetsika “Heure du Conte”, iarahana amin-dRakemba Raketamavo, anio, eny amin’ny Aft Andavamamba. Hetsika fitantarana angano natao ho an’ny ankizy mihoatra ny 3 taona. Famerenana ny hasin’ny angano amin’ny fantsona mitondra fanabeazana no tanjon’ny hetsika.
Eny Ambohimasina Itaosy indray no hihaona amin’ny mpitia hira evanjelika ny Tanora Masina Itaosy ny alahady 19 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. «Andro Pentekosta io alahady io ka tsy maintsy hataontsika hanakoako ao indray ny hira Fanahy Masina ô! Fanahy Masina ô! Mitoera re! Anatinay Ianao…”, hoy ny sampana skoto eny an-toerana izay mikarakara ity fampisehoana ity.
Arangita eny amin’ny No Comment Bar Isoraka. Tarika mivoy ny folk sy ny netin-drazana izy ireo. Mbola an-dalana amin’ny fametrahana ny anarany kanefa efa fantatra ihany ny mozikan’ny Arangita. Anio alarobia 15 mey,manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, ry zalahy no hizara ireo mozika mifangaro, mety indrindra amin’ny fotoana izao.