Hotanterahina any Manakara, ny 19 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross, dingana fahenina. Fotoana iray ahafahan’ireo Malagasy mpilalao moto eto Madagasikara manamafy ny toerany amin’ny fifaninanana nasionaly, indray.
Tsiahivina fa nandritra ny dingana fahadimy, izay natao tany Datsara, ny 31 marsa lasa teo, azon’i Claudio Tida, ny laharana voalohany. Faharoa, i Mathias Plantive ary fahatelo, Rakotoarimanana Randy. Ankoatra izay, hifanintsana ao ihany koa ireo sokajy hafa. Anisan’izany ny vehivavy, ny Junior, ny zokiny vétérans 1 sy 2, ny 85 cc, ny 65 cc, ny 50 cc. Raha tsy misy ny fiovana, hanao ny andrana eny an-kianja ireo mpifaninana ny sabotsy 18 mey ho avy izao, ary hiatrika ny fifanintsanana avy hatrany kosa ny alahady.
Araka ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ ny taranja Moto (FMaM), aorian’ity lalao ity, hotontosaina any Ilakaka, ny 23 jona 2024, ny “Grand prix d’Ilakaka MX des saphirs”.
F.R