Fihetsika tsotra nefa feno fitiavana sy fanetren-tena no nataon’i Jeanne Sorrin, ilay Malagasy mpilalao rugby, mipetraka any Frantsa avy nanatevina ny Makis Ladies niatrika ny “Can 2024”, farany teo. Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, tonga nitsidika ny Ecole de rugby Manjakamiadana ny tenany, omaly talata. Nitondra izay voarambin’ny tanany izy, nomena ireo ankizy lahy sy vavy beazina sy milalao ny baolina lavalava ao amin’ity sekoly ity.
Nanolotra fitaovana vitsivitsy, toy ny “godasse, baolina ary kitapo ny tenany. Hafaliana ny nandraisan’ireo kilonga izany, izay nisaotra azy tsy nanadino. Nampirisika sy nankahery ireo ankizy izy, hilofo amin’ny fianarana aloha vao mankany amin’ny rugby satria tsy afaka mandeha irery ny baolina lavalava raha tsy eo ny ara-tsaina.
Raha tsiahivina, mpilalao ao amin’ny Racing 92 i Jeanne ary “2ème ligne” ny toerana tazoniny ao anatin’io ekipa io. Tompon-toerana mihitsy i Jeanne Sorrin, ao anatin’ny ekipa ilalaovany.
Marihina fa anisan’ireo nijoro izy nandritra ny fihaonan’ny Makis Ladies tamin’ny Springboks, ny alahady lasa teo. Fanindroany amin’izao i Jeanne Sorrin no nanatevina ny Makis Ladies ary tamin’ity indray mitoraka ity, izy mihitsy no nianto-tena namonjena ny ekipam-pirenena malagasy.
Tompondaka