Hanainga anio, hihazo ny Debrecen, ny Ankoay lahy, hiatrika ny fifaninanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny «lalao Olympika Paris 2024», taranja basikety 3×3. Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, hifandimby hihaona amin’izy ireo ao i Allemagne, Suisse ary Lithuanie.
Nihintsana teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana avokoa ireo solontenan’i Madagasikara, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, atao any Kigali, ny 12-18 mey. Tsara ny mampahafantatra fa ilay tompondakan’i Afrika atsinanana teo aloha, i Hanitra no solontenan’ny Vehivavy, ho an’i Madagasikara, ary ry Fabio sy Antoine ny an’ny lehilahy.
Hotanterahina ny sabotsy 18 mey ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, ny lalao fifanintsanana «Grappling Tournament», taranja Jiu-Jitsu brezilianina. Ankoatra izay, ny 26 mey ho avy izao, eny Mahamasina, no hanaovana ny «Festival des Arts Martiaux», miaraka amin’i Royce Gracie, mpikatroka UFC teo aloha.
Norombahin’i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra, ny amboaran’ny mpilalao mendrika nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i France, «Ligue 1». Ity kalaza frantsay ity, dia efa nilaza fa handao ny ekipa Paris Saint Germain, ny volana jona ho avy izao. Raha tsy misy ny fiovana, hilalao ao amin’ny Real Madrid ny tenany.