Ireo ankizy eny anivon’ny ambaratonga faharoa, eny amin’ny sekolim-panjakana indray no hanafana ny sehatra mandritra ny « Slam National Scolaire ». Efa vonona ny rehetra ary fifaninana avo lenta sy tsara kalitao no ampanantenain’ny mpikarakara amin’izany.
Tanterahina ny 24 sy 25 mey 2024, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely sy eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny « Slam National Scolaire » (SNS), andiany faharoa. Fifaninanana « Slam poèsie » natokana ho an’ireo ankizy mpianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa, eny anivon’ny sekolim-panjakana. Amin’ity andiany ity, ireo sekoly avy any Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antananarivo, Antsirabe, Fianantsoa ary Toliara no handray anjara. Efa vita ny fifantenana ho an’ny hisolo tena ireo faritany ireo ary efa fantatra avokoa ny mpifaninana amin’izany “SNS” izany.
Ho ambohipihaonan’ny mpankafy “Slam poèsie”, manerana ny Nosy indray ny eto Antananarivo, mandritra ity hetsika andiany faharoa ity. Tsy sahala amin’ny mahazatra anefa, fa ireo katitakely sy taninketsan’ity taranja ity no hiaka-tsehatra sy hifaninana mandritra izany. Raha tsiahivina, efa nisy ny atrikasa sy fampiofanana nataon’ny eo anivon’ny Madagaslam, nitety ireo sekolim-panjakana sasantsasany manerana ny Nosy. Ireo ankizy nanatontosa ny fiofanana sy atrikasa, araka izany, no niatrika ny fifantenanana tany amin’ny faritany misy azy avy, ary hisolo tena ny faritaniny mandritra ny “SNS”, andiany faharoa.
Araka ny fandaharam-potoanan’ny mpikarakara, ny 24 mey 2024 tontolo andro no hanatanterahana ny dingana fifanintsanana, eny amin’ny IFM Analakely. Ao amin’ny AFT Andavamamba, ny 25 mey 2024 tolakandro kosa no hanatontosana ny dingan’ny famaranana.
Lin