« Tsinjaka Be » : hitarika ny seho i Dadi Love

Miova toerana kely mba ho goavana kokoa. Eny amin’ny Coliseum Antsonjombe indray ny “Tsinjaka Be”, amin’ity. Hetsika izay fikarakaran’ny Global Action, hampiakarana an-tsehatra ireo mpanakanto izay heverina fa andrasan’ny mpankafy amin’ izao fotoana izao izy ity. Hotontosaina ny alatsinain’ny Pentekôty 20 mey izao io, manomboka amin’ny 9 ora maraina mandra-pahamaizin’ny andro.
Tarika nosafidiana manokana no notsongaina hifandimby an-tsehatra amin’io fotoana io. Andrasan’ny mpankafy maro eto Antananarivo, satria efa elaela tsy niaka-tsehatra teto i Dadi Love. Eo ihany koa i Lico Kininike, izay anatin’ny lazany tante­raka amin’izao fotoana izao. Samy anatin’ny fitetezana an’i Madagasikara rahateo ireto mpanakanto ireto. Hanampy azy ireo i Mirasoa, izay mampalaza ny tsapiky sy ny kininike amin’ izao. Ankoatra izay, ireo mpanakanto mivoy ny mozika an-tanàn-dehibe, toa an’i Rootsman, Agrad, Lion Hill ary i Naël. Nasaina manokana i Sabata Andavamamba, ary hampiditra ny fotoana sy hanafana eny an-tsefatsefany eny ireo mpikosoka kapila toa an-dry Dj Freemix, Loss Mada, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: