Hiara-dalana amin’ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), manomboka izao ny Groupe Habibo soloin’ny marika Coca-Cola. Herintaona azo havaozina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Coca-cola Pureplay Football 2024. Io indray no hiantsoana ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra manomboka izao. Hanohana sy hiara-kiasa amin’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), ny orinasa Habibo misolo tena ny marika Coca-cola manomboka amin’ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina manomboka ny alahady ho avy izao.
Natao tetsy Ankorondrano, omaly, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta ka nisolo tena ny CFEM, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohany sy Razafimanantsoa Rado, solontenan’ny mpanohana. Hatramin’ny faran’ity taom-pilalaovana ity ny faharetany ary azo havaozina arakaraka ny zava-misy, raha ny nambaran’ny mpitantana ny CFEM.
“Hanohana amin’ny filana rehetra, hahazoana mamita hatramin’ny farany ao anatin’ny filaminana, ny zava-kinendrin’ny mpanohana”, hoy i Tôta. Nohamafisin’ny solontenan’ny vondrona Habibo kosa fa ny sehatry ny fampianarana no notohanany hatrany, ka ny fanatanjahantena indray izao, miantefa aty amin’ny baolina kitra izany ary vonona ny hanome tanana izy ireo. Notsiahivin’ny filohan’ny CFEM fa zava-dehibe ho an’ny baolina kitra izao fiarahan’ny roa tonta izao. « Noforonin’ny mpitantana klioba vitsivitsy tany aloha tany ny «Pro League », niaraka tamin’ny Orange izay nanohana azy ireo. Rehefa niova ny mpitantana dia nanova ny fifaninanana ho «PFL», ary miaraka amin’ny mpanohana vaovao ihany koa », hoy hatrany i Tôta, nampatsiahy ny tantara nolalovan’ny fifaninanam-pirenena ka nandalovana fahasahiranana ary nahitana izao mpanohana izao.
Torcelin