Anisan’ireo mpilalao tenisy, hiatrika ny “Roland Garros” hatao ao Frantsa, Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah. Fanasana manokana na “wild card” avy amin’ny mpikarakara no hahafahany manao izany, araka ny tati-baovao avy amin’ny federasiona frantsain’ny tenisy. Hanomboka ny 20 mey ho avy izao izany fifaninanana izany ary haharitra hatramin’ny 9 jona 2024. Tsiahivina fa mipetraka any Frantsa i Tiantsoa ary mizaka ny zom-pirenena frantsay. 18 taona ny tovovavy ankehitriny. Ny zava-bitany sy ny laharana misy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay 563 WTA maneran-tany no nahafahany manao ity lalao goavana ity.
Marihina fa tafiditra ao anaty “Grand chelem” ny “Roland Garros” ary ahitana ireo mpilalao sangany, lahy sy vavy, manerana an’izao tontolo izao. Anisan’ireo mpilalao zandriny indrindra mandray anjara amin’ity fihaonana ity i Tiantsoa ary tombiny ho azy ny hifanandrina amin’ireo kalazavavy, amin’ ity taranja tenisy ity. Hahazoana traikefa sy fifanakalozana teknika ny fihaonana amin’ireny mpilalao efa manana ny toerany ireny.
Tompondaka