Hotontosaina ny zoma 14 jona ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny haiady muay thaï, «Trophée du Choc-World Cola» andiany fahefatra. Hifanintsana eto an-toerana ireo Malagasy mpikatroka sy ireo nakmuay avy atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion, Maurice, Mayotte, araka ny vaovao voaray omaly, teny Andraharo.
Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity andiany ity, ny fifanandrinan’ilay renioney, Johnny Gauvin sy i Elfazar Fazaraly na i Superbad Boy, Malagasy. Tsiahivina fa i Fazaraly, efa indroa voahosotra ho tompondakan’ny “Kunlun Fight”, tompondaka indroa tamin’ny “WLF”, ary efa tompon’ny amboara lefitry ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany muay thaï, ny taona 2019, tany Chine.
Ankoatra izay, fifanandrinana miisa 14 no hatao amin’io fotoana io. Tsara marihina fa ity hetsika ity, hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny muay thaï sy ny klioba Gisl manatanteraka.
F.R