Semi-Marathon : hatao eto Antananarivo ny fifaninanana

Hotanterahina ny 26 mey ho avy izao, eto an-drenivohitra indray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja hazakazaka lavitr’ezaka 21 km, Semi-marathon, andiany fahefatra. Hetsika karakarain’ny Fede­rasiona malagasin’ny atletisma sy ny orinasa Telma. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ity taranja ity, Raherison Dominique, omaly, teny Andraharo, dia homena lelavola sy fanomezana maro samihafa avy amin’ny Telma ireo mahazo ny laharana voalohany sy faharoa ary faha­telo.
Nomarihin’ireo mpikarakara fa ny hazakazaka 21 km, natokana ho an’ireo atleta manana kara-pilalaovana, raha ny 5 km kosa, ho an’ireo tsy manana izany. Mpilalao manana kara-pilalaovana miisa 80 hatramin’ny 100 no andrasan’izy ireo amin’ity andiany ity. Hifarana ny 18 mey ho avy izao ny fisoratana anarana amin’izany. Handray anjara avokoa ny ligy rehetra, hoy ny lehiben’ny FMA.
Eny amin’ny kianja Alaro­bia avokoa ny fiaingana sy ny fahatongavana ho an’ireo mpifaninana. Tsiahivina fa teto Antananarivo ihany ny andiany farany amin’ity fifanintsanana nasionaly ity. Ho avy eto an-drenivohitra avokoa ireo atleta avy amin’ny ligim-paritra hafa. Anisan’izany ny ligin’ Analamanga, Atsimo Andre­fana, Anosy, Vakinankaratra.

Fitia Randria

Partager sur: