Hiavaka kokoa amin’ny mahazatra ny eny Analamanga Parc, amin’ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao. Ankoatra ny maha toeram-pitsangantsanganana sy toerana misy karazana fialamboly maro azy, hisy fampisehoana ihany koa nomanin’ny mpikarakara amin’ity. Hifandimby an-tsehatra amin’izany i Mamina sy ny groupe Daniel. I Mamina, izay anisan’ireo mpanakanto miaka-daza amin’izao fotoana. Manana hira malaza maro izy, ankoatra ireo fampiaraham-peo izay niarahany tamin’i Ravaka.
Tarika mivoy ny hira ara-pilazantsara kosa ny groupe Daniel. Efa manana ny toerany amin’izay sehatra izay ihany koa ny tarika. Nampiarahana mba hahafeno ny andrasan’ny fianakaviana izay ho avy amin’io tontolo andro io izany. Araka ny fantatra, hisy ihany koa ny lalao tombola, mety hahazoana moto roa amin’io fotoana io.
Zo ny Aina