Betsaka ny mipetraka amin’ny trano tsizarizary. Mandeha an-tongotra lavitra vao tonga any amin’ny oniversite ny mpianatra ao Antsirabe, ka izay no nahatonga ny fitondrana nametraka fotodrafitrasa goavana ho an’ny mpianatra, hoy ny filohan’ny Repoblika.
Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny efitrano hipetrahan’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly fampianarana ambony IES-AV anatin’ny Centre universitaire de Vakinankaratra, ao amin’ny fokontany Tsaratanàna, kaominina Vinaninkarena, Antsirabe. Tafiditra anatin’ny faritra 12 misitraka Cité universitaire ny ao Antsirabe. Institut d’enseignement supérieur d’Antsirabe Vakinankaratra ny anarany ary mbola miankina amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nangataka ny minisitry ny Fampianarana ambony mpisolo toerana, Ravokatra Fidiniavo, ny handraisana didim-panjakana hahatonga azy ho lasa Oniversiten’i Vakinankaratra mahaleo tena tanteraka. Mahafeno ny fepetra hampahaleo tena azy ny IES-AV satria manana mpianatra 2 300, eo anivon’ny lalam-piofanana 27 izay sahanin’ny mpampianatra raikitra 45 sy an-tselika 242. Manana mpandraharaha 45 misahana ny fitantanana. « Horaisina amin’ny alarobia ho avy izao, ao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny décret hanome ny sata mampahaleo tena ny Oniversiten’i Vakinankaratra », hoy ny filohan’ny Repoblika.
Manana efitrano 80, toeram-pidiovana 20 sy fivoahana 14 ny tranon’ny mpianatra ary 12m² ny efitra iray afaka mandray mpianatra roa. Hokarakarain’ny tomponandraikitra ny dingana ahafahana mitsinjara ny trano hidiran’izy ireo eny, amin’ny herinandro ambony. Hovitaina ao anatin’ny dimy volana fara fahatarany ny Oniversiten’ Antsirabe izay efa teo an-dalam-pamitana azy no nisy nisompatra noho ny tsy fitoviana fomba fijery. Hatao manara-penitra ny fotodrafitrasa ary hiantohana ny fampitaovana ny efitrano fikirakirana ny informatika miaraka amin’ny connéxion ho fanampiana ny mpianatra.
Vonjy