Nihena ny herijika hivoaran’ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’i Madagasikara. Na izany aza, arahi-maso akaiky ny mahakasika azy. Efa nihena ny heriny ary niha nalefaka. Ho maina ny andro eto afovoantany ary hiakatra manodidina ny 26°C ny maripana farany ambony, hoy ny nambaran’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro.
80 000 ka hatramin’ny 100 000 isan-taona ny tanora mahazo ny mari-pahaizana bakalorea, saingy ny 40 000 fotsiny no tafiditra eny amin’ny oniversite, hoy ny filohan’ny Repoblika, tany Antsirabe. Ilaina ny fanapariahana ny oniversitem-paritra, toy ny tany Fenoarivo Atsinanana, Itasy… Antsirabe.
Nandritra ny hetsika fanomezana tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka tao Fianarantsoa,omaly, nanentana ireo ray aman-dreny momba ny fanaovam-baksiny ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Mbola ao anatin’ny hetsika vaksiny faobe fanefitry ny lefakozatra, atao manerana ny Nosy, ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona, hatramin’ny anio.
Anatin’ny fotoan’ny mangatsiaka izao, tsara raha mihinana sakafo mampiakatra ny hery fiarovana sy mitondra vitamine C, hisorohana ny aretina gripa sy sery miharo kohoka. Betsaka eny an-tsena ny voankazo: goavy, voasary, kaki, zavoka… azo hisafidianana. Afaka mihinana isan’andro, indray mandeha ao anatin’ny tontolo andro ary hovaovaina ny karazany.