Tokony ho fantatry ny rehetra fa manomboka ny hariva vao mihilana ny masoandro ka mandra-paharainan’ny andro no manaikitra ny moka vavy, anophèles, mamindra ny tazomoka. Monina amin’ny toerana maizimaizina sy lobolobo ary manatody anaty rano mangarahara io moka mitondra tazo io. Tsy mifindra amin’ny alalan’ny fihinanana voankazo, toy ny manga, voasary, rotra ny aretina fa amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka irery ihany. Miaro ny vehivavy bevohoka sy ny zaza ao am-bohoka amin’ny voka-dratsin’ity aretina ity ny fihinanana pilina SP. Maimaimpoana ny fisitrahana izany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Omena intelo misesy na mihoatra ireo vehivavy bevohoka tonga misafo mandritra ny fitondrana vohoka izany.
Ho an’ireo raim-pianakaviana, tokony hitondra ny vadiny bevohoka eny amin’ny tobim-pahasalamana harahi-maso izy ireo, mba hampilamina ny vohoka sy ny fiterahana. Maimaimpoana avokoa ny fitaovana fitiliana tazomoka TDR sy ny fanafody ACT, ny artesunate suppositoire ary ny artesunate tsindrona.
Tatiana A