Ho an’ny traboina any avaratra atsinanana: nanolotra vary 11t sy menaka 900 l ny fanjakana sinoa

Noraiketina an-tsoratra ny fanampiana natolotry ny Sinoa ho an’ny Malagasy traboina vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Sakafo no natolotra omaly, teny Andrainarivo, ho an’ny vahoaka any avaratra atsinanana niharan’ny voka-dratsin’ny rivodoza Gamane.

Nanolotra sakafo, vary 11t, 35kg sy menaka 900 litatra, ho an’ny olona any avaratra atsinanana niharan’ny tondradrano farany teo, nentin’ny rivodoza Gama­ne, ny firenena sinoa. Tamin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika, Ji Ping, omaly, no nanaovana izany. Nandray ny fanampiana ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny ekipany. Nanamafy ny mpitantana voalohany ao amin’ity rafitra mitantana ny loza sy ny tandindon-doza ity, Andriakaja Elack Olivier, fa afaka mahazo antoka ny governemanta sinoa fa ho tonga any amin’ireo fianakaviana mila izany ny sakafo. Fianakaviana 900, ahitana olona 4 540, no hisitraka ny sakafo mandritra ny hadimiana satria mbola marefo. Betsaka no rava tanteraka ny fihariany. Efa nisintona ny rano ary afaka niverina eny anivon’ny tokantranony ny mponina, saingy mila tohana amin’ny fiharenana sy ny fiatrehana ny fiainana andavanandro, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. Hitohy ny fiahiana ataon’ny fanjakana araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika. Hoentina any amin’ny faritra Sava sy Diana ireo sakafo avy amin’ny governemanta sinoa ireo na mbola sarotra aza ny fitaterana amin’ny lalana sy ny ranomasina, indrindra ho an’Ambilobe. Ampy hiatrehina ny voina rehetra mety hiseho ny tahirin-tsakafo ao amin’ny BNGRC amin’izao fotoana.
Efa nitondra tohana sakafo 920 fonosana ho an’ny traboina koa ny fanjakana sinoa, ny fiandohan’ny taona teo. Tsy manadino ny vahoaka malagasy ny Sinoa satria misedra voina tahaka izany koa ny vahoaka any Chine ary mahatsapa ny fahasahiranana rehefa miseho ny loza, hoy ny masivoho sinoa miasa eto Madagasikara.
Ankoatra ny fanampiana amin’ny sakafo, hifanakalo traikefa ny roa tonta amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny loza sy ny tadindon-doza. Miara-miasa amin’ny lafiny maro ny fanjakana sinoa sy malagasy: fanabeazana, fahasalamana…

Vonjy

Partager sur: