Nomena lanja manokana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina poliomelita eny anivon’ny sekoly, ho an’ity andiany voalohany ity. Nandeha teny amin’ny EPP Tanjombato ny ekipan’ny CSB II Tanjombato sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, nanao vaksiny ny mpianatra. “813 ny isan’ny mpianatra ao ka ny 10% ny ray aman-dreny no tsy nanaiky ny hisitrahan’ny zanany vaksiny”, hoy ny talen-tsekoly, Randrianarivelo Paul. Nisy ny fanazavana sy ny fandresen-dahatra natao ho an’ny ray aman-dreny fa rehefa mandà izy ireo dia tsy azo terena satria safidy io.
“Ho an’ny andro fahatelo, 78% amin’ny ankizy latsaky ny 15 taona, ao Antananarivo Atsimondrano no efa nisitraka ny vaksiny miaro amin’ny poliomelita satria mitety ny toerana rehetra ny ekipa”, hoy ny mpitsabo mpanara-maso eny an-toerana, Randriamandimby Harinirina. Efa nanao adisisika teny anivon’ny sekoly sy ny tomponandraikitra mialoha ny ekipa hanazavana ny maha zava-dehibe ny fanaovana vaksiny ho fiarovana ny fahasalaman’ny ankizy.
Vonjy