Zazalahikely herintaona sy 8 volana i Mananday. Nafana hoditra nandritra ny 3 andro izy, nalain-komana ary nandoa. Nanapa-kevitra nitondra azy tany amin’ny CSBII Analaiva ny reniny rehefa tsy nety niafana nandritra ny 3 andro ny fanaviany. Any amin’ny fokontany Andranovory Taretra, tanànan’i Fiofio, 12 km miala ny tobim-pahasalamana no misy azy ireo.
Rehefa natao ny fitiliana TDR dia voaporofo fa voan’ny tazo i Mananday ary avy hatrany dia narahina ny fepetra rehetra fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana. Nomena fanafody ACT ohanina ao anatin’ny 3 andro misesy ity zaza ity. Nomena lay misy odimoka ihany koa hiarovana azy amin’ny fiverenan’ny aretina.
Eny amin’ny CSB dia mahazo lay maimaimpoana ireo zaza latsaky ny 5 taona voaporofo fa voan’ny tazomoka. Toraka izany ireo reny bevohoka manao fisafoana voalohany. Misitraka lay ihany koa ireo zaza nahavita vaksiny feno sy ireo mararin’ny aretin-tratra.
Tatiana A