Voasambotry ny zandary, omaly, ireo jiolahy roa tompon’ antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny distrikan’i Maevatanana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, lehilahy iray notifirin’ny jiolahy ka nalevin’izy ireo antsokosoko. Sivy andro taorian’ny famonoana anefa no hita ny fatiny. Ny 8 mey 2024 lasa teo no nitranga ity vono olona feno habibiana ity tao Manidibatana, fokontany Maromavo, kaominina ambanivohitr’i Mahazoma, distrikan’i Maevatanana. Fantatra taorian’ny famotorana fa jiolahy roa no tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Nahazo fampitam-baovao ny zandary ka nanao ny fikarohana rehetra nanomboka ny 15 mey 2024, nampian’ireo fokonolona mpiray Dina. Nandritra izany no nahasamborana azy roa lahy voarohirohy ireto. Nitsoaka kosa ny namany iray. Tao anatin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa tifitra intelo tamin’ny basim-borona no nahafaty ilay niharam-boina ka nalevin’izy ireo avy hatrany. Natoron’izy ireo kosa ny toerana nandevenany azy.
J.C