Hanao ahoana ihany ny ho vokatr’izao fifidianana depiote izao? Eo ny vahoaka hoe tompom-pahefana sy tompon’ny teny farany handinika, hitsara, hanapa-kevitra. Azo anombanana izany ny fampielezan-kevitra? Samy manana ny fomba fiadiny ireo vondrona na vovonana politika mbamin’ny kandidà; eny, na ny tsy miankina aza. Izay hahazoana ny vaton’ny mpifidy no mahamaika sy zava-dehibe, na izay hahazoana ny maro anisa eny Tsimbazaza aza. Ady fiady izay? Politika, fakana fahefana…
Tsy vitan’izay, fifanarahana politika ny fifidianana na fifamatorana mila fahamatorana. Eo amin’ny vahoaka sy ny kandidà: tena hanatanteraka izay ampanantenainy ve, ohatra, ny kandidà? Eo amin’ny vahoaka, mba tena foto-kevitra sy vinam-piarahamonina ary fandaharanasa ve no mahatonga ny safidy? Ao anatin’izany ny fitondrana ny feon’ny vahoaka, ny fanolorana tolo-dalàna, ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka, ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka. Tsy zavatra hafa izany no manosika ny safidy. Na mety ho fandehanana an-jambany, ohatra, sanatria, na noho ny tsolotsolotra kely, na fitanana asa na toerana…
Misy amin’ireo kandidà no ratsy tarehy maka vady, ka ny anaran-dray no entina? Manantena hoe tsy maintsy voafidy, hono, amin’izany, misy ny mitady hanao amboletra amin’ny tsy fanarahan-dalàna, fandrahonana… Ao indray no mpikarama an’ady, na vatom-panorona, na saribakoly… Miady ho an’izany manolotra sy manohana ary miantoka azy? Misy ny miady hitondra ny feon’antoko fa tsy feom-bahoaka. Fifamatorana avokoa izany. Misy fahamatorana? Mila mpifidy matotra. Azy ho azy ny azy raha kandidà mivaro-tena, manaiky holalaovina, saribakoly… Tsy ny vahoaka ihany ve no tena mitondra faisana raha diso safidy na matotra? Mamatotra tsinona izay atao…
R. Nd.